SEKOLY ALAHADY MANDROSO AMIN'NY FAHALALANA
"Koa mandehana hianareo,
ataovy mpianatra ny firenena rehetra" Matio 18 :29
Tantara
Tamin’ny 08 Aprily 1894 no niorina ny Sekoly Alahady teto amin’ny FMTA. Ny Pasitera RAJAONARY no mpampianatra voalohany tamin’izany.
Anisan’ny sampana zokiny indrindra eto amin'ny Fiangonana ny Sampana Sekoly Alahady satria niara-niorina tamin’ny Fiangonana, izany hoe 123 taona izany izao no niorenany.
Anisan’ny sampana zokiny indrindra eto amin'ny Fiangonana ny Sampana Sekoly Alahady satria niara-niorina tamin’ny Fiangonana, izany hoe 123 taona izany izao no niorenany.
Ny fampianarana
Namoaka boky fampianarana iraisana ho an’ny FMTA rehetra manerana ny nosy ny FMTA Foibe tamin’ny 2005.
Maharitra 16 taona ny fianarana Sekoly Alahady manomboka eo amin’ny fanomanana A ka hatrany amin’ny taona faha-12. Manomana boky arahina famelabelaran-kevitra ho famaranana ny taona faha-12 ny mpianatra voakasik’izany.

Ny fanadinana
Mampanao fanadinana isan-taona ny Fiangonana. Ny Sampana dia manokana hetsika fitadiavam-bola rehefa vola Jona hiomanana amin’ny fizarana mari-pankasitrahana ireo mpianatra nanao fanadinana.
Vaovao misongadina
Notanterahina tamin'ny Alahady 19 Novambra 2017 teo ny fidiran'ny mpianatra Sekoly Alahady amin'ny fomba ofisialy ho an'ny taom-pianarana 2017-2018. Nanamarihana izany dia navoaka tamin'ny fomba ofisialy ireo mpianatra miisa 8 tao amin'ny taona faha-12 nahavita fanadinana sy boky famelabelaran-kevitra. Noraisin-tanana ihany koa ireo mpianatra Sekoly Alahady afaka fanadinana ara-panjakana (CEPE, BEPC ary BACC).