Ny taona 1874 i Pasitera RAJAONARY no voafidy ho Mpitandrina tao amin'ny Tranovato Ambatonakanga. Izy no pasitera zandriny indrindra. Nandalim-pahaizana tany Angletera izy taty aoriana kely. Niezaka nanova ny fomba fitondran'ireo Misionera LMS toy ny tsy anaovana ny Mpitandrina malagasy ho mpanampy ny Misionera fotsiny intsony. Nanoratra boky mikasika ny tanora, ny literatiora kristianina sns izy. Ratsy endrika teo amin'ireo Misionera anglisy ireny hetsika nataon'i Pasitera RAJAONARY ireny, koa nitranga ny disadisa teo aminy sy ny mpiara-mivavaka, andaniny sy ireo Misionera anglisy LMS tao amin'ny Fiangonana Tranovato Ambatonakanga, ankilany. Rehefa samy niziriziry tamin'ny heviny ny roa tonta dia nanapa-kevitra ireo Misionera fa hakatony ny Fiangonana fa "azy" ary ny "volany" no nanorenana azy. Manoloana izany dia nanapa-kevitra i Pasitera RAJAONARY sy ireo mpanaraka azy fa ny fananganana trano fiangonana vaovao no mety sady angamba izany no sitrak'Andriamanitra. Nanangana TRANOZOZORO teo Atsinanan'Ambatonakanga i Pasitera RAJAONARY sy ireo mpanaraka azy ary taty aoriana nanorina TRANOBIRIKY izay toerana misy ny Fiangonana Antranobiriky foibe ankehitriny. Ny 01 APRILY 1894 no nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ny fitsanganan'ny FIANGONANA MALAGASY ZANAKY NY BAIBOLY. Izy no Fiangonana Malagasy Voalohany nentin'ny Malagasy ary natao ho an'ny Malagasy. Ny fahaizany mampifandray ny toriteny amin'ny zava-misy ka nilazana ny "maha-gasy ny toriteny", "ny fandavana ny fitakiana fanamarinana rehefa handray ny Fanasan'ny Tompo", "ny fiderana an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hira zafindraony" izay lasa Fihirana manokan'Antranobiriky taty aoriana - ankoatra ny hiram-pivavahana noforonin'ny Mpitandrina, no tena nampiavaka ny Fiangonana. Nanokatra sekoly ny Fiangonana. Nahery vaika ny fanenjehana ity Fiangonana Malagasy Voalohany tsy miankina ity.
Pasitera RAINIMIARANDRAISOA (1902-1904):
Tsy niofana ho Mpitandrina Rainimiarandraisoa fa mpiara-miasa akaiky tamin'i Pasitera RAJAONARY, ary anisan'ireo mpanorina ny Fiangonana Malagasy zanaky ny Baiboly. Natsangan'ny Fiangonana ho Mpitandrina izy handimby an'i Pasitera RAJAONARY rehefa nodimandry ity farany. Ny taona 1903 dia niova ho "SECTE DES DISSIDENTS PROTESTANTS INDIGENES" ny anaran'ny Fiangonana.
Pasitera RAMANITRA Jean Baptiste (1904-1910):
Ny taona 1904 no nifindra tato amin'ny Fiangonana i Pasitera RAMANITRA Jean Baptiste, izay Mpitandrina tao amin'ny Fiangonana LMS AMBOHIPOTSY. Niara-niasa taminy teo amin'ny fitandremana ny fiangonana i Pasitera RAINIMARANDRAISOA. Ny 27 APRILY 1904 dia nekena ho Misiona ny Fiangonana mitovy amin'ireo Misiona vahiny (LMS, FFMA, MPF) ka lasa "MISSION PROTESTANTE INDEPENDANTE INDIGENE DE LA TRANOZOZORO - centre de propagande Antranobiriky". Nivondrona tao anatina Fikambanana iray ireo Fiangonana Protestanta Malagasy tsy niankina tamin'ireo Misiona vahiny ka nanangana ny FIANGONAN'I MADAGASIKARA ZANAKY NY BAIBOLY nahitana ny Fiangonana Antranobiriky, Ambohitantely, Ankadilalana, Antanambao Ambohimangakely. Nivoaka ny volana Jona 1904 ny gazety laharana voalohany an'io Fiangonan'i Madagasikara zanaky ny Baiboly io dia "NY VARAVARANA MIVOHA". Ny 17 OCTOBRA 1907 dia niditra ho anisan'ny Isan'Enimbolan'Imerina misy ireo Misiona vahiny Antranobiriky.
Pasitera RAKOTONIRAINY (1912 - 1923):
Rehefa nodimandry i Pasitera RAMANITRA dia nangataka ny hiara-hivavaka tato amin'ny Fiangonana ireo Misionera FFMA, ary nifanekena fa tsy handrava ny lalam-piangonan'Antranobiriky izy ireo. Ireo Misionera FFMA no nitondra ny Fiangonana nandritra ny roa taona, ary izy ireo ihany no nanolotra an'i Pasitera RAKOTONIRAINY ho Mpitandrina teto Antranobiriky. Ny Sabotsy 14 APRILY 1914 no notokanana ny ilany avaratry ny Fiangonana. Niha-nahazo vahana tato amin'ny Fiangonana anefa ny Misiona FFMA ary noheverin-dry zareo fa efa azy mihitsy Antranobiriky.
Pasitera RAJOHNSON Emile (1925 - 1948):
Ny Misionera FFMA no nitondra azy tato Antranobiriky. Ny taona 1927 no nanomboka ny fifanolanana tamin'ny FFMA rehefa notadiavin'ny FFMA hiditra ho Isan'Efabolana Antranobiriky, izany hoe hofehezin'ny Isan-Kerintaonan'ny FFMA. Nandà tsy ho Isan'Efa-bolana Antranobiriky fa ny fifanarahana ny maha-Fiangonana tsy miankina azy no tazonina. Vokat'izany dia noroahina tsy ho Isan'Enimbolan'Imerina izy ny taona 1928. NANOMBOKA TETO NO TENA NASANDRATRA NY MAHA-MISIONA PROTESTANTA TSY MIANKINA AZY. Maro ireo efa nahazo alàlana hanao fiaraha-mivavaka no nangataka hanangana Fiangonana miray amin'Antranobiriky toy ny tany Antalaha, Andapa, Taolagnaro, Ambatondrazaka. Nisy koa ireo Fiangonana niaraka tamin'ireo Misiona vahiny no nisintaka taminy ka niditra ho anisan'ny Misiona miray amin'Antranobiriky. Ny Fiangonana Antanifotsy - Distrikan'Ambatolampy no Fiangonana voalohany niray tamin'ny Misiona Tranozozoro ny 19 SEPTAMBRA 1931. Natsangana ny "COMMISSION DES INITIATIVES CHRETIENNES DE LA MISSION EVANGELIQUE DE TRANOZOZORO" izay natao hifandray akaiky tamin'ireo Fiangonana miray amin'ny Misiona Tranozozoro. Nanofana ireo tanora tato amin'ny Fiangonana Antranobiriky i Pasitera RAJOHNSON, ka ireny no mandeha mitety ny zana-piangonana : mitarika ny fotoam-pivavahana, mitoriteny, manao vela-kevitra, milalao tantara fisehatra mikasika ny Soratra Masina. Ny tsangan-kevitra ijoroan'ny Misiona dia ny FILAZANTSARA EFATRA, izany hoe Jesosy no Filamatra, ary avy amin'izany no anatsoahan'ny Misiona ny fampianarany dia ny : ASA SOA - FITIAVA-NAMANA - FAHAMARINANA. Ny Pasitera RAJOHNSON Emile no namorona ny tonon'ny Hira Fanevan'ny Misiona ary i Michel ANDRIANJAFY no nanao ny feony dia "NY TRANOZOZORO". Noho Antranobiriky efa nanana ny fahaleovantena ara-pinoana dia nisalotra ny Falaleovantenam-pirenena ihany koa izy. Nitsidika tato mantsy ireo Tia Tanindrazana Malagasy. Ny taona 1946 raha niondrana ho any Frantsa ny Solombavambahoaka RASETA sy RAVOAHANGY dia Antranobiriky notarihin'i Pasitera RAJOHNSON Emile no hany Fiangonana sahy nilahatra nanao veloma sy nitsodrano azy roalahy. Teo amin'ny sehatry ny kolotsaina sy ny zavakanto dia nitaiza ireo tanoran'ny Fiangonana i Pasitera RAJOHNSON Emile tamin'ny filalaovana tantara fisehatra na ny teatra sy ny famoronan-kira, mpanoratra tantara fisehatra rahateo izy.
Pasitera RAHAMEFY Jacques (1950 - 1957):
Izy no "Directeur Délégué Missionnaire de Tranozozoro" anarana vaovao nentiny raha nandimby ny Pasitera RAJOHNSON Emile izy ka lasa Misionera. Ny taona 1952 dia nanangana ny Antoko Mpihira "Feon-Dakolosy" i Pasitera RAHAMEFY Jacques izay niara-niasa taminy nitety ireo Fiangonana miray amin'ny Misiona. Ny 26 APRILY 1953 no novana ny anaran'ny Misiona ka lasa ho MITA na MISSION INDEMENDANTE TRANOZOZORO ANTRANOBIRIKY, ary nampiana FAHAMASINANA ny tarigetran'ny fampianaran'ny Misiona. Nifanesisesy ireo Fiangonana tany ambanivohitra nangataka hiditra ho MITA. Niteraka fahasorenana tamin'ireo Misiona sasany izany. Araka ny tantara, dia nodoran'ny sasany ny Trano Fivavahana tao Talatakely Sambaina Manjakandriana ny alin'ny tokony hitokanana azy, koa dia lavenona no notokanan'ny Misionera RAHAMEFY Jacques sy ireo mpanaraka azy ny 11 OCTOBRA 1953. Nisy ny fanitarana ny Fiangonana Antranobiriky tamin'ny fananganana ireo rihina efatra izay notokanana ny 04 JOLAY 1954 nankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny Fiangonana. Nanana talenta tamin'ny famoronan-kira i Pasitera RAHAMEFY Jacques. Misy amin'izy ireny no mbola hirain'ny Antoko Mpihira "Tanora Kristianina Feon-Dakolosy". Ny hira tena nampalaza azy dia ny "Herinao Jeso" izay namoronan'ny zanany lahimatoa, RAHAMEFY Emma, tonony hafa dia ny "MADAGASIKARA TANINDRAZANAY" izay lasa hira fanevan'ny MDRM sy hiram-pitolomana ankehitriny.
Reverend RANDRIANAIVO Jean Gellert (1959 - 1974):
Ny taona 1959 izy no efa voafidy, nefa ny 23 OKTOBRA 1960 vao notokanana ary ny Filohan'ny Repoblika Malagasy - Philibert TSIRANANA no tonga nanatrika ny fanokanana azy. Ny 26 OKTOBRA 1962 no nanovana ny MITA ho FMTA na FIANGONANA MALAGASY TRANOZOZORO ANTRANOBIRIKY. Foibe Antranobiriky, izay fiantso ny Misiona hatramin'izao. Nitarika ny fikarakarana ny Foibe Antranobiriky i Pasitera RANDRIANAIVO Jean Gellert, fanamafisam-peo ny taona 1963, fananganana ny vali-tafon'ny Fiangonana izay notokanana ny 11 DESAMBRA 1967, fanoloana ny Harmonia ho "Orgue" avy tany Japana ny taona 1969, fanavaozana ny jiro vaovao ny taona 1972 izay nifandrindran-dàlana tamin'ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Antoko Mpihira "Feon-Dakolosy", ka namohazana indray ireo Hira Zafindraony nampalaza an'Antranobiriky. Mba hahafahana mamoaka Mpitandrina hiasa eo amin'ny sahan'ny Misiona dia naorina ny "INSTITUT BIBLIQUE" ny taona 1960 izay niova ho "SEKOLIN'NY MPAMINANY" taty aoriana. Ny 28 JOLAY 1963 no nivoaka ny Mpitandrina Voalohany nandrato fianarana tao. Namoaka Gazetim-Piangonana ny Misiona dia ny "ANJOMARA". Tamin'ny androny no nahazoan'ny Misiona FMTA fandaharam-potoana indray mandeha isam-bolana isaky ny Alahady fahatelo tao amin'ny Radiom-pirenena, izay nanampy ny Misiona tamin'ny fanitarana ny ambaindainy.
Reverend Docteur RATOVONARIVO (1977 - 2000):
Manana ny diplaoma "Doctorat es Sciences Religieuses " izy, izany no iantsoana azy ho Docteur RATOVONARIVO. Mpampianatra tao amin'ny Kolejy Teolojika Ivato izy ary ny taona 1975 dia solotenan'ny FJKM nanomboka ny DIKATENY IOMBONANA ETO MADAGASIKARA ny Baiboly na ny DIEM, niaraka tamin'i R.P. Leonard Marie RAMAROSON (EKAR), RANDRIAMANDIMBY Barijaona (FLM). Rehefa lasa Misioneran'ny FMTA anefa izy dia nesorina taminy izany andraikitra izany. Ny asa lehibe napetrany tato amin'ny FMTA dia ny fampahafantarana ity Misiona ity nanerana izao tontolo izao, indrindra taty Afrika. Nanorina ny FIOMBONAN'NY FIANGONANA TSY MIANKINA ERAN'I AFRIKA SY I MADAGASIKARA i Docteur RATOVONARIVO ny taona 1980. Efa Filohan'ny FIKAMBANAN'NY MPAMPIANATRA TEOLOJIA eran'i Afrika sy i Madagasikara. Tato amin'ny Foibe dia nanangana ny Sampana Fandalinam-pinoana izay iarahan'ny mpiara-mivavaka mandalina ny Soratra Masina isaky ny Alahady maraina mialohan'ny fotoam-pivavahana. Ireto daty ireto ihany koa no tadidiana nandritra ny nitantanany ny Misiona: 17 MARTSA 1983 faneken'ny Fitondram-Panjakana ny maha toerana manan-tantara ny Fiangonana Antranobiriky Foiben'ny FMTA, 1994 fanambarihana ny Jobily faha-100 taonan'ny Fiangonana Tranozozoro Antranobiriky Foiben'ny FMTA, izay nankalazaina nandritra ny taona, 1999 fitsangan'ny Sampana Tanora Zokiny. Teo ihany koa ny fahazoana ny tany lehibe ao Ambohimiadana Ampitatafika kasaina hanorenana ny Tahalan'ny Misiona FMTA. Nitombo isa hatrany ireo Fiangonana ao anatin'ny FMTA. Rehefa nodimandry ny Reverend Docteur RATOVONARIVO ny taona 2000 dia ny Komitin'ny Fiangonana no nitondra ny Foibe sy ny Misiona. Nisongadina tamin'izany ny fanamarihana ny faha-110 taonan'ny Fiangonana Tranozozoro Antranobiriky Foiben'ny FMTA ny 04 APRILY 2004 izay nametrahana ny Tsangambato lehibe mamintina ny mikasika ity Fiangonana tsy miankina ity. Nisy ihany koa ny fanamarihana ny faha-50 taonan'ny Tanora Kristianina Feon-Dakolosy, anarana niantsoana ny "Ny Feon-Dakolosy" nanomboka tamin'ny taona 1975.
Pasitera RANDRIAMANANIVO Davida 2005-2018:
Voafidin'ny "Fahefana Tampony" na ny "Autorité Suprême" ho Mpitandrina eto amin'ny Fiangonana Antranobiriky Foibe sy ho Filohan'ny FMTA tamin'ny 22 MAY 2005, ary ny Alahady voalohany tamin'ny volana JONA 2005 no noraisin-tànana sy natolotra ny Fiangonana manontolo ho Mpitandrina ny Fiangonana Antranobiriky. Ireto no efa nisongadina nandritra izay naha-teto Antranobiriky azy izay:
Fanokafana indray ny Sekolin'ny Maminany ny taona 2005 izay toeram-panofanana mpitandrina FMTA ary efa namoaka mpitandrina 12 ny taona 2008.
Alahady 22 OKTOBRA 2006 fanoloran'ny sampana TANORA ZOKINY ny "ORGUE D'EGLISE" ho an'ny Fiangonana Antranobiriky Foibe.
Alahady 05 NOVAMBRA 2006 fanamafisana ny andraikitr'ireo Diakona am-perin'asa sy Fitokanana ireo Diakona vaovao.
Naverin'i Pasitera RANDRIAMANANIVO David ny maha-ANTRANOBIRIKY an'ANTRANOBIRIKY.
"Jesosy no nifidy" matoa lany ireo Diakona, noho izany tsy anjaran'ny olona no manala azy fa ny tsirairay no mahatsapa-tena fa mbola mendrika na tsia hitana ny toerana ho maha-Diakona azy izy. Naverina ireo Diakona teo aloha ary nampiana vaovao ho solon'ireo nodimandry sy hampavitrika kokoa ny asa fanompoana. NOMARIHINA NY "HERINANDRO MASINA", fa tsy ny "Alakamisy Masina" fotsiny intsony rehefa Paska, ka ny Sampana ato amin'ny Fiangonana Antranobiriky no mifandimby mitondra ny fotoana, afa-tsy ny Alakamisy Masina. Notokanana sy nohamasinina ho Filohan'ny Misiona FMTA ny Alahady 09 AOGOSITRA 2009. Nametra-pialana ny volana martsa 2018. I Pasitera RAZANADRAIBE Germain (solotena ara-panahy) sy i RAFARAMALALA Claudine (solotena ara-panjakana) ampian'ny komitin'ny fiangonana sy ny komitin'ny Missiona ary ny mpandrahara no mitantana ny misiona tao aorian'ny fametra-pialana nataony.